Ivontoeram-pitsaboana: Tafapetraka ny vato fototra ao Ambodisaina

Tafapetraka ny herinandro lasa teo, tao amin’ny fokontany Ambodisaina, ny fotodrafitrasa ho an’ny fahasalamam-bahoaka na tobim-pahasalamana fototra CSB2 ho an’ny kaominina Toamasina faharoa. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny fitondram-panjakana sy tsy miankina tamin’ny alalan’ny vondrona Atlatic, izay miara-miasa amin’ny sampana banky Mada­gasikara sy ny orinasa mpamokatra simenitra, Societe cimenterie de Madagacar, no niara-misalahy tamin’izao fanombohan’ny tetikasa izao.
Hiompana amin’ny fahasalamam-bahoaka sy fidiovana ny vondrona tsy miakina sy ny fitondram-panjakana izay notarihan’ny governoram-paritra vonjimaika, Rakotovao Andry, notronin’ny ben’ny Tanànan’ i Toamasina faharoa, Nivo Ludovic Andrée. Tobim-pahasalamana fototra mirefy 5 534,60 metatra toradroa apetraka anatin’ny velaran-tany mirefy 1 500 metatra toradroa ary mbola hanorenana fanasan-damba 53,94 m2.

Sajo

Partager sur: