JCI Madagascar : Vonona hitondra ny anjara birikiny ireo tanora mpandraharaha

« Zava-dehibe ny fiaraha-miasa amin’ny tanora satria ny tanora rahateo no hoavin’ny firenena indrindra eo amin’ ny lafiny fandraharahana », hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Antana­na­rivo, Gil Razafintsalama (CCIA). Tontosa teny amin’ny Anteni­mieran’ny varotra sy ny indostria Analakely, ny alakamisy lasa teo, ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Jeune chambre internationale madagascar (JCIM), Jeu­ne chambre internationale Anta­nanarivo sy ny Jeune chambre internationale Iarivo, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka mitovy fom­ba fijery amin’izy ireo. Tonga nanatrika ity fifanaovan-tsonia ity ny filoha lefitra iraisam-pirenena ny JCI, Ahmadou Abdou­laye Traoré. Niorina tany amin’ny taona 1910 ny JCI fa ny 13 oktobra 1915 kosa vao tena nisokatra tamin’ny fomba ofisialy izany. Nam­baran’ny filohan’ny CCIA ha­trany fa manome sehatra mi­vantana ireo tanora eo amin’ny fandraharahana izy ireo. Nilaza kosa ny JCI fa vonona hitondra ny anjara birikiny eo amin’ny se­hatry ny fandraharahana. «Nisy ny fomba fijery mitovy eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana ny firenena sy ny tanora ka antona nahatonga ny fi­fa­naovan-tsonia», hoy ny fa­nazavan’ny filohan’ny JCI Anta­nanarivo, Solange Rahari­manantsoa. Nisy, araka izany, ny fifaraham-piaraha-mi­asa ta­min’ireo mpiara-mi­ombon’ antoka, nahitana ny Maison de l’entrepreunariat, 24/24. MG sy ny Sioka. Marihi­na fa ny JCI Antananarivo dia miara-miasa amin’ny any ivelany, toy ny JCE Grand Sud de La Réunion, ny JCE Abomey Calavi Lincoln Benin ary ny JCI Maurice.

Jean Claude

Partager sur: