Marojejy sy Masoala: Averina ho vakoka iraisam-pirenena ny ala

Vakoka iraisam-pirenena tandindomin-doza ny ala arovana any Marojejy sy Masoa­la, ny taona 2010, satria nirongatra ny fitrandrahana hazo sa­robidy. Manoloana ireo, tonga tany an-toerana, ny 18 marsa teo, ny Malagasy sy vahiny manam-pahaizana isan-tsokajiny, nijery manokana ny fomba hamerenana azy ho vakoka iraisam-pirenena indray. Notsidihina sady no­tombanana ny zava-misy any Mandena, kaominina Maro­ham­bihy, distrika Sambava sy tany Tanandavahely, kaominina Ambohitralanana, distrika Antalaha, samy ao amin’ny faritra Sava.
Mifantoka amina lohahevitra lehibe efatra ny tombana natao. Tsikaritra fa nihena ny fitrandrahana ny hazo sarobidy, ny tevy ala, ny fihazana ny varika na akomba, ary nitombo ny faritra naverina ho ala. Nisolo tena ny fanjakana tonga tany Marojejy sy Ma­soala, ny talen’ny Faritra arovana sy ny loharanon-karena voajanahary azo ha­vaozina sy ny rohy voahary (DAPRNE), Ratefason Zafin­dragisimary Tojotsara. Teo koa ny manam- pahaizana sy teknisiana avy amin’ny Cites, ny UICN, ny Patrimoine mondiale.
Manana velaran-tany 55 000 ha ny valanjavaboahary Marojejy, ary 227 000 ha ny any Masoala. Sokajiana ho ala mando, ahitana biby sy za­vamaniry maro tsy hita raha tsy any an-toerana sy eto Ma­dagasikara. Anisan’ny toerana tena fanaovan’ny Mala­gasy sy vahiny manam-pahaizana fi­karohana ary ny misarika mpizahatany mankafy ny tontolo iainana ireo toerana ireo.

Njaka A.

Partager sur: