Nampahafantarina tany amin’ny fokontany Antanambao Andranolava, distrika Marovoay, ny fitaovana fanetsana manara-penitra, ny 24 febroary teo. Manamora ny fanetsana vary sy manatsara ny fomba fambolena ity fitaovana ity. Sady tsy mahafantatra azy ny ankamaroan’ny tantsaha, indrindra ny any ambanivohitra sy lavi-toerana.
Namolavola azy ny Afafi, miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Hanatsara sy hampitombo ny voka-bary ity fitaovam-panetsana manara-penitra ity, hampihena koa ny asa mafy ho an’ny tantsaha. Eo koa ny hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, araka ny vina napetraky ny fanjakana. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiasana fitaovana manara-penitra, ka hihena ny isan’ny olona miasa sy ny fotoana lany amin’ny fanetsana ary hanafaingana ny fomba famokarana. Azon’ny tantsaha liana ny manatona ny Fitantanam-paritry ny fambolena sy ny fiompiana (DRAE) isaky ny faritra.
Njaka A.