Miara-mirona

 

Anisan’ny manamarika ity herinandro vaovao ity ny fiverenan’ny fitiavan’ny Malagasy ny taranja baolina kitra. Na inona na inona vokatra nivoaka dia mazava fa tanatin’ny firaisam-po sy saina tanteraka no niarahana niaina ny lalao indroa miantoana nataon’ny Barean’i Madaga­sikara. Tena hoe niara-nirona tokoa.
Baolina aloha izay no vita, mbola hisy ny fihaonana hafa amin’ny volana septambra. Fa ny lalao eny anivon’ny Kianjaben’ny fiainana andavanandro mbola mitohy. Tsy vitan’ny fialam-boly fotsiny ny zava-drehetra fa tsy maintsy miady sy mitady ny fomba hampidirana sakafo any am-bava ihany koa. Indrindra fa amin’ny faritra maro lasibatry ny loza voajanahary tato ho ato izay.
Misy trangam-piarahamonina maromaro miseholany eto an-dRenivohitra sy any amin’ny renivohi-paritany isanisany any. Taratry ny olana sosialy, mianjady amin’ny sarambabem-bahoaka ireny. Misy kilalao maloto sy sadasada any ambadimbadika any, ka ilay vahoaka efa sahirana no mbola sahiranina ihany koa. Volena ny korontana etsy sy eroa.
Mahavariana fa misy vondron’olom-bitsy mitady ny fomba handetehana misimisy kokoa ny firenena anatin’ny lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana. Misy karazan’olona tsy mikendry afa-tsy ny fomba hahafadiranovana ny mponina eto Madagasikara. Tena mibaribary ny fitiavan-tena ho azy ireny, izay lany fanahy mitrandraka ny tsy fahalalan’ny olona mba hanaovana amboletra amin’ny fironan-kevitra tiany hovoizina.
Efa latsaka an-katerena ny firenena, tsy tokony hisy koa ny mbola hanampy trotraka ny zava-misy. Miandry fiainana tsaratsara ilay mpiray tanindrazana. Mitaky fiaraha-mirona any amin’ny famongorana ny jaly!

r.r

Partager sur: