Tontosa ny herinandro lasa teo ny Formation en accompagnement technique des entrepreneurs ho an’ny mpiasa eo ambany fifehezan’ny fitaleavana jeneralin’ny fampiroboroboana ny fampananana asa, eo anivon’ny minisiteran’ny Asa ny fampananana asa ary ny asam-panjakana. Fiaraha-miasa tamin’ny Iscam Business School. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny “Convention de partenariat” nisy teo amin’ny roa tonta ny fiofanana.
Tanjona ny hanamafy ny traikefan’ireo mpiofana momba ny tantsoraka ho an’ireo mpandraharaha sy mpitantanana orinasa madinika sy salantsalany iantefan’izany.
Nofaranana tamin’ny fanolorana “certificat de formation”, natrehin’ny tale jeneralin’ny fampiroboroboana ny fampananana asa sy ny tale mpanatanteraka eo anivon’ny vondrona Iscam business school ary ireo mpiara-miasa aminy ny hetsika.
Ny departemanta rehetra eo amin’ity minisitera ity dia tsy mitsahatra hatrany mampiroborobo ny asa mendrika na ho an’ny mpiasam-panjakana ihany koa aza.
Vonjy