Mavesatra. Tafiditra amin’ny andavanandron’ny mponina eto an-dRenivohitra sy ny manodidina ny olan’ny famatsian-drano. Voatery mividy rano sy mampantsaka ny ankamaroan’ireo tokantrano mba hisitrahana izany. Mitombo ny fandaniana ary mananosarotra ny fandrindrana ny vola noho izy antoky ny fivelomana. Manomboka eo amin’ny 2 000Ar fara fahakeliny ny vola lany isan’andro amin’ny fividianana rano, mitombo kosa izany raha mampantsaka ary mbola miankina amin’ny halaviran-toerana ny vidin’ny bidon iray. « Vidina 200 Ar ny rano iray zerikanina 20 litatra eny amin’ireo paompim-pokontany na eny amin’ireo tokantrano manana izany », hoy i Fetra, raim-pianakaviana mipetraka eny Analamahitsy. Tsy araky ny aina, hoy izy, ny fitaterana ka voatery manarama olona hitatitra izany hatrany an-trano. Noho izany, lasa 500 Ar ny vidin’ny iray bidon feno rano tonga ao an-trano. Tsy ampy ireo ka mila manampy sivy hafa vao mahasahana ny filana ho an’ny tokantrano misy olona efa-mianaka. Izany hoe, mila manana 5 000Ar isan’andro fara fahakeliny ity raim-pianakaviana ity hamatsiana rano ho an’ny ankohonany. Mahatratra 155 000 Ar isam-bolana izany, ary tafakatra 1 825 000 Ar isan-taona, vola lany hividianan-drano fotsiny.
Miovaova
Ho an’ny fokontany Antaninandro, tapaka mandritra ny tontolo andro ny rano, amin’ny alina vao misitraka izany ny mponina. « Mazàna manomboka amin’ny 1 na amin’ny 2 ora maraina vao mandeha ny rano ety aminay. Voatery manova fandaharam-potoana izahay, noho izany, tsy maintsy mifoha mameno bidon sy koveta ihany koa vao mandeha ny rano », hoy ny fitantaran’i Jaona. Mandany 2 ka hatramin’ny 4 ora izy mivady vao mahafeno ireo fitaovana samihafa ao an-trano. Rehefa tapaka kosa ny rano, voatery mampantsaka eny amin’ny fokontany manodidina ny mponina. Vidiana 1 500Ar ny rano iray bidon ary mbola misy sahy mampiakatra 2 000Ar aza izany.
Ankoatra izay, aman-taonany maro no efa tsy nisitraka rano ny mponina eny amin’ny fokontany Ilafy, kaominina Ankadikely. Lasa fiainan’ny mponina eny an-toerana ny mampantsaka isan’andro ary vidiana 800Ar ka hatramin’ny 1 000Ar ny rano iray bidon. Ao ireo voatery mandeha lavitry ny tanàna vao mahazo izany. “Mitombo ny vola lany. Misy amin’ireo mpantsaka koa no mbola mamilafila vao kely ny karama omena azy”, hoy ny fitarainan’ireo fokonolona.
Miantraika amin’ny fahasalaman’ny mponina sy ny fandrindram-bola ao an-tokantrano ny zava-misy. Voatery mampandefitra ny filana madinika ny iray trano.

Vaovao mahafaly
Toa zara ho fifalian’ny ankabeazan’ny tokantrano ny vanim-potoan’ny fahavaratra. Fotoana iray ahafahan’ny rehetra manangon-drano sy manana tahiry ao an-tranony. « Mihena ny vola mivoaka. Satry ho fahavaratra mandavan-taona », hoy i Beby. Mitaty rano amin’ny fanitso sy izay mety hahazoana rano ny mponina. Tsy afaka hitaty avy hatrany ilay rano amin’ny rotsakorana voalohany izy ireo fa tsy maintsy miandry ora maromaro arakaraka ny rotsakorana mba ho azo antoka ny fahadiovany.
Ankilany, nivoitra tao anatin’ny fanadihadiana nataon’ny Afrobarometer ny taona 2024, fa 74% ny Malagasy no tsy misitraka rano fisotra madio ho an’ny filany ao an-tokantrano. Mbola ny 5% ny mponina an-drenivohitra no manana loharanon-drano anaty trano, 47% no ao anatin’ny faritry ny tanàna. Tafakatra 49% kosa izany ho an’ny ivelan’ny faritry ny tanàna.
Fotodrafitrasa
Mahatratra 71% ny fotodrafitrasam-pamatsian-drano an-drenivohitra raha oharina ny any ambanivohitra. Toa zary lasa haingon-tanàna izy ireny noho ny olan’ny famatsian-drano lavareny. Voalaza tao anatin’ny fanadihadian’ny Afrobarometer hatrany fa mampiasa fitarihan-drano fisotro madio iombonana na ho an’ny vondron’olona ny 24% ny Malagasy.
Aina ny rano saingy mbola ny 1% ny mponina eto Madagasikara ihany no manana loharanon-drano ao an-trano, raha 39% kosa ny manana izany ao anatin’ny faritry ny tanàna. 60% ny mponina mampiasa loharanon-drano ivelan’ny faritra ipetrahany.
Tsiahivina fa nankalazaina ny sabotsy teo ny Andro maneran-tany ho an’ny rano.
Nanatontosa : Henintsoa Hani