Orambe teto Analamanga: Olona telo maty, an’arivony traboina

Olona telo namoy ny ainy nandritra ny orambe teto Anala­manga, nanomboka ny 22 hatramin’ny 24 marsa 2025 lasa teo, raha ny tatitra navoakan’ny BNGRC omaly hariva. Tany Ambohijanaka ny roa tamin’izy ireo ary teny Ampitatafika ny iray hafa. Mahatratra 9 761 ny isan’ny traboina, ahitana tokantrano 2 762 isa. Ao amin’ny distrikan’Antananarivo Atsimon­drano avokoa ny 8 310 amin’izy ireo.
Voa mafy sy tena voakasiky ny fahasimbana ny ao amin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano, Tana I, Tana II, ary Tana IV. 680 ao amin’ny distrikan’Antananarivo voalohany. Trano 2 223 no dibo-drano, raha toa ka rava tanteraka ny trano enina.
Mitohy ny fanangonana vaovao momba ny fiantraikan’ity rotsakorana tafahoatra ity. Manao ny ezaka hanampiana ireo traboina isan-tsokajiny ny tomponandraikitra sy manampahefana rehetra. Miantso ny rehetra mba hitandrina sy hanaraka ny toromarika avy amin’ny manam-pahefana ny BNGRC, indrindra fa amin’ny faritra ahina hiakaran’ny rano.

Mino

Partager sur: