Saika hanolana mpianatra : Mpampianatra iray nidoboka am-ponja

Naiditra vonjimaika am-ponja ao Ambalatavoahangy, omaly, ny mpampianatra iray 66 taona miasa amina sekoly tsy miankina iray ao Toama­sina. Nikasa hanolana zazavavy, mpianany taraiky nirava nianatra tao an-dakilasy, izy io. Manery sy manao herisetra amin’ireo mpianany rehetra ao an-dakilasy ihany koa izy io.
Nisy ankizivavy 13 taona iray somary taraiky niala tao an-tsekoly noho ny orambe sady niandry olona haka azy ny alakamisy 20 marsa teo. Efa lasa nody avokoa ny an­kamaroan’ny mpianatra rehetra tamin’izany. Tavela nijanona niaraka taminy teo io mpampianatra io. Narahiny sy notazoniny ary noteren’ity mpampianatra ity mafy horohana tamin’ny vava ilay mpianatra. Mbola nolalaoviny ihany koa ny nono sy ny fitombenanan’io ankizivavy io. Nisy nahatsikaritra ny zava-nisy ka nampilaza avy hatrany ny ray aman-drenin’ilay ankizy. Nanao fitarainana tamin’ny tomponandraikitry ny sekoly izy ireo taorian’ny tranga. Nitsangana nijoro vavolombelona avokoa ireo ankizivavy mpianatra rehetra fa efa niharan’ny fihetsika mamoafady nataon’io mpampianatra io avokoa. Fantatra fa efa fanaony ny mandray fitombenana sy nonon’ireo ankizivavikely tsy ampy taona hampianariny, raha ny angom-baovao voaray. Tereny tsy maintsy horohan’ny mpianatra vehivavy amin’ny vava ihany koa izy. Vokany, nitondra ny raharaha teny anivon’ny fitsarana ny talen-tsekoly. Nosamborina avy hatrany io mpampianatra io taorian’izay. Nalefa vonjimaika any am-ponja izy io miandry ny fitsarana azy.

Sajo/Mino

Partager sur: