Toky nomen’ny minisiteran’ny Asa vaventy ny tsy maintsy hamitana ny asa amin’ny lalam-pirenena faha-12, mampitohy an’i Taolagnaro sy Vangaindrano. Antony, efa fantatra daholo ny mpamatsy vola hanatanterahana azy.
Tafiditra ao anatin’ny « Lalan’ny masoandro », napetraky ny filoha Rajoelina Andry, ny lalam-pirenena faha-12A (Taolagnaro-Vangaindrano). Mirefy 210 km ny lalana hamboarina hatao godirao tanteraka amin’ny RN12A, ka mizara efatra ny asa atao. Voalohany, ny ampahan-dalana manomboka eo Taolagnaro hatrany Ebakika, mirefy 45 km, izay efa mahatratra 65% ny fandrosoan’ny asa. Mamatsy vola azy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) sy ny Vondrona eoropeanina (UE). Nanomboka tamin’ity volana marsa ity ny ampahany faharoa, mampitohy an’Ebakika hatrany Somisika, mirefy 120 km. Famatsiam-bola avy amin’ny Bad sy ny UE ihany koa no nahafahana manatanteraka ny asa. Anisan’ny mampiavaka amin’ity ampahany faharoa ity ny fanoloana ny « bac » miisa 7 ho tetezana vita amin’ny « béton ».
Tsy azo ekena intsony ny fanalavam-potoana
Ampahany fahatelo, ny manomboka eo Somisika hatrany Masianaka, ka mamatsy vola azy ny Banky iraisam-pirenena. Efa andalam-pahavitana ny tetezana any Manambondro, mirefy 200 metatra, ankehitriny. Ampahany fahefatra, misy ao anatin’ny Taolganaro-Ebakika ihany koa, mirefy 44,850 km, famatsiam-bola avy amin’ny Bad sy ny UE ary ny fanjakana malagasy, vita hatrany amin’ny 61% ny asa. Hentitra ny toromarika nomen’ny minisitry ny Asa Vaventy, Rafidison Richard Théodore, fa tsy maintsy hampiasaina ny hoenti-manana rehetra, hamitana ny ampahany eo Taolagnaro hatrany Somisika, mialoha ny faran’ny volana septambra ho avy izao. Izany hoe, nomeny 7 volana ny orinasa manao ny asa, ary tsy azo ekena intsony ny fanalavam-potoana ho an’ny fanatanterahana ny Taolagnaro-Ebakika. Notsindriny manokana ny hanamafisana ny fanaraha-maso ataon’ireo tomponandraikitry ny fitantanam-paritry ny Asa vaventy sy ny teknisianina izany toromarika izany.
Njaka Andriantefiarinesy