Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, tao amin’ny Lycée privé moderne Chrétien Tongarivo, ny fampirantiana mitety sekoly ho fanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny faha-78 taona ny tolom-panafahana nataon’ireo mpiady tia Tanindrazana.
Nampiavaka ny hetsika ny fampitana amin’ireo taranaka ny tolona nataon’ireo mpiady tia Tanindrazana mba ho tafampita ao am-pon’izy ireo ny afon’ny fitiavan-tanindrazana, araka ny tarakevitra hoe: « Tolom-panafahana: fanilo miampita ho an’ny taranaka ». Natomboka tamin’ny fampiakaran-tsaina sy ny firedonana ny hiram-pirenena ny fotoana, narahin’ny hiran’ny tolom-panafahana nataon’ireo mpianatra eo anivon’ny sekoly. Nitohy tamin’ny seho maneho ny maha Malagasy izany. Nifarana tamin’ny fampirantiana an-tsary sy fijerena sarimihetsika mirakitra ny tolona nataon’ireo maherifo sahy nisedra ny tolona mba hiady ho an’ny fahafahana izany. Nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Office de l’éducation de masse et du civisme (OEMC), Raveloarisoa Marie Odette, fa ao anatin’ny endrika fanehoana fitiavan-tanindrazana ny andraikitra sahanin’ny tsirairay fa indrindra ny mpianatra. Izy ireo no hoavin’ny firenena any aoriana any. Anjara biriky entina hamerenana izany indrindra ny fahafantarana ny tantara momba ireo tolona rehetra nataon’ireo mpiady tia Tanindrazana mba ho fanilo miampita amin’ireo taranaka. Nohamafisiny fa tafiditra ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana koa ny famerenana indray ny fifankatiavana, ny firaisankina, ny fifanampiana, ny fitandroana ny fihavanana ary ny fifanajana eo amin’ny Malagasy. Tsapa fa efa maro ireo mpianatra no liana amin’ny tantaram-pirenena fa tsy mionona amin’ny fandaharam-pianarana fotsiny.
Jean Claude