TSELATRA

Lehilahy iray tratran’ny polisim-pirenena teo am-pamakiana trano tany Toamasina, omaly maraina be. Nahita sy nandre io tranga io ny andrimasom-pokonolona tao Tanambao V ka niantso manam-pahefana. Nidina ifotony nijery ny zava-misy avy hatrany ny mpitandro filaminana rehefa nandre ny tranga. Vokany, lehilahy iray voasambotra teo am-panatanterahana ny asa ratsiny. Tafiditra ao anatin’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra ao Toamasina izao hetsika izao.
“Tsy maintsy andraisana fepetra ireo zandary manimba ny endriky ny Zandarimariam-pirenena”,
hoy ny jeneraly Andriatahina Jean Herbert Rakoto­malala, nandritra ny lanonana fanolorana ambany faneva ireo mpianatra ho zandary andiany faha-79 hiofana ao amin’ny EGNA Ambositra. Manoloana ny fihetsika tsy mety ataon’ny singa sasany eo anivon’ny Zandarima­riam-pirenena ka antony nanomezany baiko hentitra.
22 ireo olona voasambotry ny polisy teny Ambohijatovo sy Isotry, ny faran’ny herinandro lasa teo. Vehivavy ny roa tamin’izy ireo. Olona miisa 4 tratra nanendaka sy nangarom-paosy teny Anatihazo Isotry
sy Ambohipo ny efatra tamin’izy ireo, izay vehivavy ny roa. Iray voasambotra noho ny resaka vaky trano, roa noho ny fifohana rongony, sivy noho ny filokana an-dalambe sady manakotaba ny fiarahamonina, 5 noho ny fanaovana fanamiana mitovy amin’ny an’ny mpitandro filaminana.

Partager sur: