Vahoaka miray: “Mila sorohina ifotony ny tsy fandriampahalemana”

“Raha tsy voasoroka hatrany amin’ny fotony, tsy voavaha io olana io. Eo ny tsy fisian’ny famoronana asa. Mihalava ny hantsana mampisaraka ny manan-tsaina sy ny mahantra”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray (Vami), Rakotondrazanany Gabriel Harisoa na i Gaby Vakiniadiana, momba ny tsy fandriampahalemana amin’izao. Tsy miasa ny tanora, tsy afa-manao inona: mankany amin’ny halatra. Taloha, An­drianampoinimerina raha misy olona mangataka na mitady asa: nomeny angady, hamokarana sy itadiavana vola. Amin’izao, fanampiana no omena. Hany ka mainka mihakamo izay tsy miasa. Nefa tsy mahavita taona ny fanampiana omena.
Mampihoron-koditra ny fanafihana mitam-basy: avy aiza ny basy, iza no tompony, taiza ny bala, misy mampanofa basy ve? Mahavariana: basy fitondra miady matetika no enti-manafika. Ny zava-misy: eo ny fahantrana lalina mampisaraka ny mahantra sy ny manankarena, ny fipari­han’ny fitaovam-piadiana ba­ranahiny. Tsara ny fanaovana hetsika amin’ny fampanjakana fandriampahalemana. Saingy eo ihany ny hoe: an’iza ny basy sy ny bala, avy aiza no niaviany? Mahagaga, ohatra, fa tomponandraikitra ambony ao amin’ny zandarimaria no tratra amin’ny raharaha zava-mahadomelina. Nefa ry zareo no hoe mpanenjika ny fanaovana izany. Sao sanatria toy izay koa ny basy? Izay no mampanahy. Nefa raha amin’ny hetsika ataon’ny mpanohitra, tonga alohan’ny fotoana ny mpitandro filaminana. Fa tsy tonga raha mpangalatra, na mpamono olona, na mpaka ankeriny… Natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany ve ny mpitandro filaminana sa hiaro ny fanjakana?

R. Nd.

Partager sur: