VAOVAO TAMBATRA

Vonona hamatsy vola hanarenana ny tete­zan’Ifasy sy Mahavavy (RN6) ny Banky iraisam-pirenena. Eo am-pandinihana ny fomba hanatanterahana azy, ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny Antokon­draharaha misahana ny lalana (Agence Routière), ny orinasa Colas ary ny Banky iraisam-pirenena.

Anisan’ireo firenena telo ho fitaratra i Mada­gasikara amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina. Miaraka aminy koa i Gambia sy i Botswana. Voa­kasik’ izany ny tetikasa Afretrap, tarihin’ny Vondrona afrikanina. Harafitra ny tondrozotra nasionaly hamaritana ny dingana sy ny fepetra, hialana amin’ny fampiasana angovo mamoaka entona manimba ny tontolo iainana.

Vonona hanaja ny fitsipika mifehy ny mpitondra lakana ho an’ny mpizahatany ny any Sainte-Marie. Anisan’izany ny fanatsarana ny fikambanan’izy ireo, ny fampiharana ny lafiny aro loza, mba hiantohana ny fitsangantsanganan’ny mpizahatany, ny fananana karatra fahazoan-dalana amin’ny maha mpitaridia ambony ranomasina, ny fandoavana patanty, sns.

Miisa 6 ny fikambanan’ny tantsaha nahazo fitaovana sy kojakojam-pamokarana any Fenoarivo Atsinanana sy Vavatenina, faritra Analanjirofo. Voa­kasik’izany ny fambolem-bary sy ny fiompiana trondro, ka nizarana motoculteurs, fitotoam-bary, fanamboarana sakafon-trondro, broety, …, masomboly vary, zezika NPK, provandy ho an’ny trondro, sns.

Partager sur: