Anisan’ireo firenena telo fitaratra aty Afrika ho an’ny fampiroboroboana ny fampiasana angovo azo havaozina i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izay ny tetikasa « Africa Energy Transition Program (Afretap) » tarihin’ny Vondrona afrikanina sy tohanan’ny Vaomieran’ny angovo afrikanina (Afrec).
Miroso tanteraka amin’ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina i Madagasikara hiarovana ny tontolo iainana. Ankehitriny, manomana ny tondrozotra nasionaly hampihenana ny fampiasana angovo karbona na ireo entona manimba ny tontolo iainana sy ny fahasalamana ny fandaharanasa « Africa Energy Transition Program (Afretrap) ». Tanjona ny hanafoanana tanteraka ny fampiasana angovo azo avy amin’ny solika fandrehitra sy mamoaka entona karbona. Kendrena ny hanoloana izany ho angovo madio sy maoderina.
Ankoatra izay, hanangana rafitra mazava sy maharitra hampihenana ny fampiasana angovo mamoaka entona karbona manimba ny tontolo iainana sy ny fahasalamana ka hiantohana ny fampandrosoana ara-toekarena maharitra.
Nisongadina nandritra ny fampahafantarana ny tetikasa, ny herinandro teo, ireo vokatra andrasana. Ao anatin’izay ny famoronana sy fizarana herinaratra, hatsaraina ny fomba fahandroan-tsakafo avy amin’ny angovo madio isan-tokantrano. Hojerena manokana ny sehatry ny indostria, ny fampiasana solika sy entona voajanahary. Eo koa ny lafiny fitaterana sy fambolena.
Vahaolana
Tarigetran’ny fandaharanasa Afretap sy ny Afrec ny hampiroborobo ny fitrandrahana lalina ny angovo madio sy azo havaozina maharitra. Nisongadina nandritra ny fampahafantarana ny tetikasa ireo fepetra hampihenana ny famoahana entona karbona. Voalaza ho antony mahatonga izany ny fiankinandoha amin’ny famokarana sy fampiasana angovo mandeha amin’ny solika.
Marihina fa nitarika ny delegasionina avy amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo ny Sekretera jeneraly Andriantsoa Thierry. Nanotrona azy ireo tale iraisam-paritra isan-tsokajiny ary ireo mpanolotsaina avy amin’ny Stantec.
Henintsoa Hani