Avy nivarotra sakay: lehilahy 68 taona hita faty tapa-doha

Misesisesy ny fahafatesan’olona mampiahiahy sy feno habibiana tato ho ato. Raim-pianakaviana iray hita faty notapahan-doha, omaly. Avy nivarotra sakay tany Antsirabe izy io ary taraiky hariva teny an-dalana ka izao nisy namono izao.

Raim-pianakaviana iray, 68 taona, hita faty tapa-doha, omaly vao maraina, tamin’ny lalana mankany amin’ny tanànan’Antom­pom­bohitra, fokontany soavina faharoa, kaominina Antohobe, distrikan’i Betafo, faritra Va­kinankaratra. Mpitondra sarety handeha hikarakara vary vao maraina no nahita faty nivalampatra tamin’ny lalana ka niantso ny tomponandraikitra avy hatrany. Nidina nijery ny zava-misy ny zandary avy any Betafo sy ny mpitsabo any an-toerana vantany vao naheno ny tranga. Efa eny anivon’ny fianakaviana ny razana taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Nikaroka ny lohan’ilay raim-pianakaviana hita faty io ireo mpitandro filaminana sy ny fokonolona tany an-toerana hatramin’ny omaly hariva fa mbola tsy nahitam-bokany, raha ny angom-baovao. Hotohizana hatrany ny fikarohana sy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana. Indrindra ny fikarohana ireo nahavanon-doza amin’izao vono olona feno habibiana izao.

Nifampiantso tamin’ny finday izy sy ny rahalahiny
Nifampiantso tamin’ny alalan’ny finday taminy ny rahalahin’io raim-pianakaviana hita faty io afakomaly tamin’ny 6 ora sy fahefany hariva. Ni­fam­piresaka mahakasika ny fambolena izy ireo tamin’izany. Mbola teny am-pandehanana tongotra moa io rangahy maty io ka tsy sahy niresaka betsaka firy, raha ny vaovao voaray. Nilaza fa hiantso izy io rehefa tonga any an-tanàna nefa tsy nandeha intsony ny findainy rehefa nantsoina. Hatairana ny nahenoana sy nahitana azy hita faty tapa-doha. Mpivarotra sakay ary mitondra entana mankany Antsirabe isaky ny alatsinainy io raim-pianakaviana io, raha ny fanazavana voaray. An-dalana hamonjy fodiana tamin’ny lalana manakaiky ny tranony izy io tamin’ny 7 ora latsaka fahefany hariva tany ho any.
Ankoatra izay, nahitana fatin-dehilahy iray ihany koa tetsy Ilazana, Morarano, Ambohimanambola, afakomaly. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty ity lehilahy ity. Misahana ity raharaha iray ity ny avy amin’ny Zan­darimaria Ambohimanam­bola.

Mino

Partager sur: