Fanafihana Cash point : Naiditra am-ponja Rambola

Voasambotry ny polisim-pirenena ny sabotsy teo ny jiolahy raindahiny antsoina hoe: Rambola. Nampiakarina fampanoavana afakomaly izy ary naiditra vonjimaika am-ponja. Jiolahy fantatra sy malaza amin’ny fanafihana mitam-piadiana izy io. Efa ela nokarohin’ny mpitandro filaminana fa izay vao tratra sy azo sambo-belona. Marihina fa nanafika Cash point iray tany Ambositra izy, ny 19 jolay 2024 lasa teo. Naratra mafy notsatohany tamin’ny antsy nandritra izany ilay olona mpitazona Cash point ary lasany tamin’izany ny vola 15 000 000 Ariary. Roa lahy izy ireo no nanao ny fanafihana, efa tratra efa ela ary efa notanana vonjimaika am-ponja izy io. Raha toa ka nanao fangala-piery tamin’ny polisy foana kosa ity Rambola ity. Tsy nikely soroka fa nitohy ny fikarohana nataon’ny polisim-pirenena ka nahafahana nisambotra azy. Tratra niaraka taminy ireo odigasy lazaina fa ramanjavona sy odibala fampiasany.

Mino

Partager sur: