Fianarantsoa: Nankatoavina ny fanamboarana ny Coliseum

Mitohy ny fanatanterahana ny tetikasam-panjakana nampanaovin’ny filoham-pirenena ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana.
Hatsangana ao Fianaran­tsoa ny Coliseum faharoa lehibe eto Madagasikara. Ao anatin’ny pole urbain tanàna vaovao ao Ambatomena no hananganana izany. Haha­zaka mpijery 25 000 ny fotodrafitrasa ary hatramin’ny 30 000 miampy ny gradin sy eo anoloan’ny lapihazo.
Hovitaina amin’ny volana jona ny asa fanampiny, ahitana ny toeram-piomanan’ireo mpanakanto, iantsonan’ny fiarakodia, toeram-pivoahana, lakandrano ary lalana miditra eo amin’ny kianja.
Nankasitrahin’ny tanora sy ny mpianatra ao Fianarantsoa ny hanatanterahana izany fotodrafitrasa goavana izany. Satria, hanampy betsaka azy ireo amin’ny fanaovana fanatanjahantena sy fialamboly.
Hanatsara ny endriky ny tanàna ny fahavitan’ny fotodrafitrasa ary hitondra fidiram-bola amin’ireo karazana hetsika maro hatao ao. Afaka handray karazana fihaonana kolotoraly, ara-pinoana, ara-panatanjahantena ary ara-tsosialy izany rehefa vita.
Mifanindran-dalana amin’izany ny fanamboarana ny Avenue commercial ao an-toerana. Niara-nankatoa ny fanamboarana izao fotodrafitrasa izao ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Andriamanohisoa Gerard, sy ny ben’ny Tanàna any an-toerana.

Tatiana A

Partager sur: