Nitohy tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny fampiofanana ireo ben’ny Tanàna vaovao. Nanatanteraka izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), amin’ny alalan’ny INDDL. Miompana amin’ny sehatra samihafa ny fanofanana.
Nisitraka fanofanana ireo ben’ny Tanàna any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, hatramin’ny omaly. Anisan’ny niompanan’izany ny fitantanan-draharaha eo anivon’ny kaominina. Eo koa ny fampahafantarana ny andraikitra sy iraka tanterahin’ ireo ben’ny Tanàna. Manampy izany ny momba ny sora-piankohonana.
Etsy andaniny, nampitain’ny avy amin’ny MFFT, amin’ny alalan’ny INDDL koa, ny momba ny fitantanana ny fananan-tany sy ny anjara andraikitr’izy ireo amin’izany ary ireo fepetra sy lalàna ho amin’ny drafitry ny tanàn-dehibe.
Anisan’ny lehibe tamin’izao fanofanana ireo mpitantana eny ifotony izao ny momba ny tetibola. Ny fanetsehana ireo loharanon-karena ho fampidiram-bolan’ny kaominina. Ao anatin’izany ny kaontim-pitantanana, ny fanitsiana ny tetibola, ny tsenambaro-panjakana ary koa ny momba ny fampiasana ny vola fanampiana avy amin’ny Tahiry ho an’ny fampandrosoana ifotony (FDL).
Fitantanana mahomby eny ifotony
Nomena ny toromarika sy nampitaina tamin’izy ireo koa ny lafiny fanajariana ny tany sy ny tanàna. Ny fanomezana ny fahazoan-dalana hanorina.
Tsiahivina fa tafiditra amin’ny fanatanterahana ny drafi-pirenena ho amin’ny fitsinjaram-pahefana miabo sady fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ireo mpitantana eny ifotony ny fanofanana ireo ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina ireo. Natao hiantohana ny fitantanana mahomby eny anivon’ny kaominina sy ny hahafehezan’izy ireo izany ny fiofanana.
Efa nanomboka ny fiandohan’ny volana janoary teo, taorian’ny fahalanian’ireo ben’ny Tanàna, izao fanofanana entin’ny MFFT izao.
Synèse R.