Nihosin-dra tanteraka, feno ratra, ny faritry ny tratrany sy ny fon’ny lehilahy iray hita faty tao Manakara Renivohitra, nanoloana ny Lapan’ny tanàna, omaly maraina. Mpandalo no nahatsikaritra fisiana olona nitsirara vao maraina amin’ny tany. Nozahan’ny mpiray monina, lehilahy iray voatrobatrobaky ny antsy teo amin’ny manodidina ny fony ity hita nitsirara teo amin’ny kianja filalaovana tsipy kanetibe ity. Tsy nisy aina intsony izy. Vono olona tsotr’izao no ahina ho nahazo ny lasibatra. Tsy nisy nahita na nahatsikaritra anefa ny tena zava-nisy. Nigadona teny an-toerana ny polisim-pirenena nanao fanadihadiana. Nozahan’ny mpitsabo ilay namoy ny ainy ary efa nentin’ny fianakaviany nody ny vatana mangatsiakany. Marihina, manjaka ny vono olona sy ny tsatok’antsy tato ho ato. Olona miisa efatra avy amin’ny renivohi-paritany samihafa, tao anatin’ny iray volana, nianjadin’io tranga io. Miaina anaty tebiteby tanteraka ny mponina. Aiza ho aiza ny fandraisan’andraikitry ny mpitandro filaminana manoloana ny tranga tahak’izao.
Tsiferana R.