INDRAY MIJERY

Noho ny fiakaran’ny rano, nidina ifotony ny mpiasan’ny fahasalamana eto Antananarivo Renivohitra rehefa naheno ny fisian’ny traboina eto. Nanao fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’ireo traboina teny amin’ny EPP Ankaditoho Marohoho, fokontany An­kaditoho, boriborintany fahefatra sy tao amin’ny Sabat Antohomadinika, boriborintany voalohany izy ireo. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana, nisy koa ny fanaovana vaksiny ho an’ireo zaza latsaky ny 5 taona, ny fanaraha-maso ny fanjarian-tsakafo, ny fandrindrana fiainam-pianakaviana ary ny fanentanana ara-pahasalamana.
Nitsidika ny LTPGCM Mahamasina sy ny LTP Alarobia ny minisitry ny Fampianarana teknika, niaraka tamin’ny Président du centre de la formation professionnelle en BTP avy any Frantsa, Christophe Possémé, sy ny tomponandraikitra ao amin’ny minisitera. Nanolotra marika fankasitrahana ho an’ireo mpiofana mendrika amin’ireo ivontoeram-panofanana roa tonta ny vahiny tonga nitsidika, ho fanohanana ny sehatra ara-teknika sy arakasa. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Mbola hitohy ny fifampidinihana eo amin’ny roa tonta hametrahana tetikasa iarahana amin’ny hoavy.
Milaza ny Amadia fa tsara kokoa ho an’ny olona diabetika ny vary mena noho ny vary fotsy. Ny vary mena misy  fibre betsaka ka manampy amin’ny fifehezana tsara ny tahan’ny siramamy ao amin’ny vatana. Mivadika ho siramamy haingana any anaty ra kosa ny vary fotsy ary mety hampiakatra ny tahan’ny siramamy.
Aorian’ny fiavian’ny orana misesy, betsaka ny rano miandrona na madio na maloto ka hanatodizan’ny moka. Tokony hoesorina avy hatrany, araka izany, izy ireny hisorohana izany. Kapaina koa ny lobolobo fieren’ny moka. Maimaimpoana ny fitsaboana ny aretina tazomoka ka voararan’ny lalàna ny mivarotra fanafody momba izany eny an-tsena.

Partager sur: