Araka ny valandresaka natao tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy Ambohidahy, hotanterahina ny 10 mey ho avy izao ny fifaninanana ho an’ireo orinasa an-gazety, “Inter –Media 2025”. Hiavaka ity andiany fahatelo ity, hiampy ny taranja tsipy kanetibe ny lalao hifaninanana, raha toa ka mbola eo ihany koa ny baolina kitra ho an’olona fito sy ny basikety ho an’olona dimy, izay hiarahan’ny lahy sy ny vavy.
Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay maniry ny handray anjara amin’izany. Nomarihin’ny mpikarakara kosa fa hifarana ny 22 avrily ho avy izao ny fisoratana anarana. Ampahafantarina ihany fa natao hampiray sy hifampizarana ny hetsika karakarain’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) ity.
Tsara ny mampahatsiahy fa lasan’ny orinasa ORTM sy ny RVS ny amboara tamin’ny farany teo. Fifanintsanana izay natao tetsy amin’ny Kianja “Annexe” Mahamasina, ny taona 2024.
F.R