Klioban’ny Voix de la Sagesse : Miantso ny hijerena ny taranja savate

Nanatanteraka fifaninanana “Gala Andrefan’Iarivo”, taranja savate, ny klioban’ny Voix de la Sagesse, ny faran’ny herinandro teo, teny Am­bohijanahary. Namba­ran’ny filohan’ny klioba, Razafima­hatratra Joany Fanambinan­tsoa, fa taranja hain’ny Ma­lagasy ny savate saingy nangina tanteraka tato ho ato. Manao antso izy ny hijerena akaiky ny taranja ho an’olon-tokana toy ny savate izay tena ahitana mpikatroka manana ny maha izy azy tokoa. Natao ity fifaninanana ity ho famohazana ny taranja ary ho fampandrosoana an’Andrefan’Iari-vo. Ady miisa 28 no nitranga ary manodidina ny 56 ny mpikatroka nandray anjara. Klio-ba maro ihany koa no namaly ny antso, anisan’izany ny CKFB, EBI, 3FB, CSBA, Itao­sy, FCAA ary ny klioba mpikarakara ny Voix de la sagesse. Efa fanintelony izao no nisy ity fifaninanana ity ary nitombo ny mpandray anjara tamin’ity taona ity. Tanjona ny hanatsara hatrany ny fifaninanana. Nanamafy ny filohan’ny klioba fa miezaka mampandeha ny taranja ny aty anivon’ny klioba saingy olana hatrany ny mpitantana. Nambarany fa tsy misy ny fifaninanam-pirenena ho an’ny taranja savate. Tsiahivina, niorina tamin’ny taona 2016 ny klioban’ny Voix de la Sagesse, izay ahitana mpikambana 70 eo. Mpika­troka manomboka amin’ny 5 taona hatramin’ny 60 taona no mivondrona eo anivon’ny klioba. Mpikatroka anisan’ny misongadina eo anivon’ny klioba, i Michaella (Senior), i Ronaldo (Minime), i Julio (Minime) ary i Mirah (Cadet).

Mi.Raz

Partager sur: