Raikitra ihany izy ity. Hifandona etsy Mahamasina, anio, ireo mpilalao baolina kitra malaza fahiny tany ivelany sy ny olo-malaza malagasy. Natao hitadiavana vola hanamboarana fotodrafitrasa ara-panatanjahantena eto Madagasikara ity hetsika ity.
Hotanterahina anio, eo amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny lalao ara-pirahalahiana “Alefa Madagascar 2025”, izay hihaonan’ny Team des Héros, ivondronan’ireo kalaza any ivelany, sy ny Madagascar All Stars, ikambanan’ireo olo-malaza eto an-toerana. Tsiahivina fa ity hetsika ity hiarahan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) sy ny orinasa Yas Madagascar, ny Soka Club ary ny Vivo Energy Madagascar manatanteraka.
Marihina fa tanjon’ity lalao ity ny hananganana fotodrafitrasa ara-panatanjahantena maro eto Madagasikara. Anisan’izany ny fanamboarana kianja sy efitrano fiomanana eny amin’ny CEG Ambohipo. Ankoatra izay, hisy ny fitsirihana EPP maro eto an-toerana, hataon’ ireo vahiny ary hifampizara sy hampita amin’ireo ankizy ny maha zava-dehibe ny fianarana sy ny fanatanjahantena ry zareo.
Ampahafantarina ihany fa vahiny mpilalao maro no ho tonga eto Madagasikara mandritra ity hetsika goavana ity. Toa an-dry Robert Pires, Alain Giresse, Jay Jay Okocha, Gervinho, Amine Radi, Govou, Adebayor, Laura Georges. Ho an’ny Malagasy kosa, ho tazana eny ambony kianja ireo mpilalaon’ny Barea teo aloha, anisan’izany ry Voavy Paulin, Faneva Ima, Abel Anicet, miampy an-dry Nina, sy i Muriel Hajanirina, mpilalaon’ny Ankoay, sokajy vehivavy. Hohatevenin’ireo artista malagasy: Shyn, Oboy, Ceasar, Oladad.
Mahagaga ihany ny tsy nanasana ireo Malagasy efa nitondra avo ny ekipa nasionaly tamin’ity fifanandrinana ity, anisan’izany ry Johan Paul, kapitenin’ny Barea teo aloha, ry Menakely, lohalaharan’ny Scorpion fahiny, sy ireo Malagasy mpilalao baolina kitra fahiny.
Fitia Randria