Mandritsara : Rava ny tambajotra mpanao vola sandoka

Vehivavy roa sy enin-dahy voasambotry ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Antsahabe avaratra, kaominina Mandritsara, omaly maraina. Nahatratra mpangalatra ny fokonolona teo amin’ny fokontany Ambalanantsotry, io talata maraina io. Natahotra mafy ny ainy sy iharan’ny fitsaram-bahoaka, nitoroka ireo namany sy mpiray tsikombakomba taminy io lehilahy io. Nikasa hanaparitaka vola sandoka tao an-toerana izy ireo. Nidina ifotony ny polisy miasa eo anivon’ny kaomisaria ao Mandritsara. Noraisim-potsiny ireo enina mirahalahy niampy vehivavy roa. Nosavaina ny tranon’ilay voalaza ho atidoha niketrika hanamboatra ireo vola sandoka. Nahatrarana taratasy efa vita lasitra mitovy amin’ny vola 20 000 Ar miisa 355. Tsy vitan’io, mbola nihazona taratasy natao lasitra vola sandoka 10 000 Ar miisa 53 koa izy. Nofonosany anaty lambamena ireo entana ireo ary nahitana fitaovana samihafa mifandraika amin’io asa ratsy io. Fanampin’ireo, nampiasa ody ratsy koa ity fikambanan-jiolahy mpanao vola sandoka ity. Nandritra ny famotorana nataon’ny polisy azy, nana ny fiampangana azy avokoa ny ankamaroan’ireo olona voasambotra. Atolotra ny fampanoavana tsy ho ela ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: