Tato ho ato, mirongatra ny asan-jiolahy. Fanafihana mitam-piadiana, fakana an-keriny, famonoana olona… Tsy hita hotanisaina. Saika miharo herisetra sy habibiana hatrany izany. Nahoana? Tsy misy izay tahotra amin’ny fandatsahana aina. Na antitra io na zazakely, na lehilahy na vehivavy… Na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra, na andro na alina… Lazain’ny mpandinika sasany fa fahantrana no antony. Eo koa ny tsy fisian’asa, fihanaky ny zava-mahadomelina, fampianaran-diso amin’ny sarimihetsika… Miara-dalana amin’izany ny tsy fananana tanjona mazava eo amin’ny fiainana, ny tsy fisian’ny olon-kotahafina…
Any amin’ny toe-po sy toe-tsaina no voa, ka lasa manaotao foana ho azy amin’izao ny sasany? Tsy mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy, ny mahasoa sy ny manimba; tsy mijery lavitra amin’izay vokatry ny atao… Izay rehetra izay, vokatry ny fiainam-piarahamonina, ny soatoavina apetrany sy arahiny ary omeny hasina. Saika manome lanja ny lafiny materialy, ny hita maso, ny eo no ho eo, ny anio ihany… ? Tsy mahagaga raha very na latsa-danja ny maha olona. Aiza ho aiza amin’ity hoe anisan’ny andry amin’ny fampandrosoana amin’izao? Izay mandroso no afa-kampandroso, izay mahay no afa-kampianatra, izay matanjaka no afa-kampahery…
Misy fitenin’ny olon-kendry iray izay hoe: rehefa mafy izay atrehina, izay mafy no miatrika. Ahoana ny ahazoan’ny olona miatrika ny fahasahiranana amin’izao, indrindra ity hoe tsy fandriampahalemana? Tsy vitan’ny fanomezam-baovao, fampiharan-dalàna, famaizana… Ny maha olona no mila fanarenana sy fanorenana. Mby aiza? Mila fijery vaovao amin’izay atao. Ny olona no miasa sy manao fampandrosoana, fa ny olona koa no mila iasana sy ampandrosoina. Izay ilay hoe ny olona na ny maha olona aloha na fototra…
R. Nd.