Hita navelan’ny mpangalatra teny akaikin’ny hotely 206, Cité Haras Toamasina, ilay fiara tsy mataho-dalana nisy nagalatra teny akaikin’ny fiangonana Betela Tanambao V, ny alahady lasa teo. Hita teny an-toerana, tamin’ny 07 ora maraina io fiara io. Tonga nijery ny zava-misy sy nanamarina izany ny polisy. Nentina eny amin’ny kaomisaria kosa ilay fiara ary mitohy ny fanadihadiana hikarohana ny nahavanon-doza.
Fasana roa nisy namaky tany Ambohipaly, kaominina Arivonimamo 1, afakomaly alina. Lasan’ny jiolahy nandritra izany ireo razana 24 tao anatiny. Mpanamboatra fasana nandeha maraina no nahatsikaritra ny zava-misy ka nampandre ny tomponandraikitra. Hamafisina ny ady amin’ny trangana tsy fandriampahalemana sy ny halatra tahaka izao.
Omby fito maty nilatsaham-baratra tany Ivoay Ambalakely, distrikan’i Lalangina, ny alahady teo tamin’ny 5 ora hariva. Avy ny orana tamin’io ka nialoka tao ambany lavarangana ireo omby. Tampoka nisy varatra nirefotra sy nilatsaka ka nitarika ny fahafafatesan’ireto biby fiompy ireto. Olona telo samihafa ny tompon’ireo omby maty ireo.
Lehilahy nitondra bisikileta maty tsy tra-drano voahitsaky ny kamiao afakomaly, tamin’ny 5 ora hariva, tany Andranonahoatra Antsirabe. Potika tanteraka ny lohany voahitsaky ny kodiarana aorian’ilay fiarabe. Telo lahy izy ireo no niaraka ka nisongona ny namany izy io no voasaringotry ny fiara naha hitsaka azy, raha ny angom-baovao. Efa nentina avy hatrany eny anivon’ny tranom-paty ny razana taorian’ny tranga.