67 ha sy Antohomadinika : Jiolahy raindahiny lavon’ny polisy

Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana afakomaly maraina, tetsy amin’ny Coum 67ha, ny jiolahy raindahiny iray. Malaza amin’ny fanaovana fanafihana mitam-piadiana izy io ka mampihorohoro ny mponina eny 67ha sy An­tohomadinika. Avy nanatanteraka fanafihana mitam-piadiana teo amin’ny Coum izy io no nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana teny an-toerana. Tsikaritr’ireo polisy mbola nihaodihaody teny ity olon-dratsy ity ka naraha-maso fatratra. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny roa tonta. Tsy nanaiky ho samborina mora anefa izy io fa nampiasa ny sabatra teny aminy ary nandratra polisy iray. Niaro ny tenany kosa ireo mpitandro filaminana ka nitifitra izay nahalavo io olon-dratsy io.
Mpamaky trano voasambotry ny zandary
Nahavoasambotra mpamaky trano ihany koa ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena avy ao Fenoarivo, omaly tamin’ny 1 ora maraina. Nota­fihan’ny olon-dratsy roa lahy ny trano fivarotana miisa 4 ary novakian’izy ireo ny varavarana. Niantso ny zandary avy hatrany ny tompon’ny tsena. Tonga nijery ny zava-misy ny zandary mpanao fisafoana taorian’ny antso. Vokany, tratra ny iray tamin’ireo mpangalatra raha toa ka tafatsoaka kosa ny iray hafa. Tratra teny aminy ny lakile, antsy ary lampadaire solaire avy nangalariny. Fantatra fa efa avy nigadra noho ny asa fanendahana sy halatra izy io. Hatolotra ny fitsarana ity farany aorian’ny fanadihadiana atao aminy.

Mino

Partager sur: