Tanterahina anio, etsy Analakely, ny varavarana misokatra ao amin’ny CHUSSPA na ny Institut d’hygiène Sociale teo aloha. Maro ireo fitiliana maimaimpoana hatao eny an-toerana toy ny fitiliana diabeta, tosidra, homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza, VIH…
Hisy fizaham-pahasalamana toy ny maso, orona, tenda, sofina… ihany koa Ankoatra izay, ny torohevitra sy fanentanana momba ny ady amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo. Fomba fiainana ara-pahasalamana hananana vatana tomady. Ny fitiliana sy fandraisana an-tanana ireo mivadi-tongotra…
Misokatra ho an’ny rehetra ihany koa ny tolotra amin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviaka…
Marihina fa misy sampandraharahan’ny fahasalamana maro ao amin’ny CHUSSPA. Misy ny fitsaboana saina, ny fitsaboana momba ny sofina, ny orona ary ny ativava. Misy ny fitsaboana nify, fitsaboana maso, fitsaboana aretin-tratra. Ankoatra ireo ny fitsaboana hoditra, fitsaboana ny zaza sy ankizy, ary ny taovam-pananahana.
Ahitana ny sampana fanaovana fitiliana ra sy amany ary diky ihany koa. Misy ny fitarafana échographie, ECG, EEG…
Ahitana ny sampana fanaovam-bakisiny, sampana manao tsindrona volamena, sampana manao fikarohana sy fiofanana.
Tatiana A