Fahasalamana: Mihamaro ny voan’ny fahamainan’ny maso

Aretina mpahazo ny ankamaroan’ny olona amin’izao ny fahamainan’ny maso. Maro ny antony mahatonga izany ary tokony hitandremana. Anisany ny fandrosoan’ny taona. Fa eo indrindra koa ny fijerena ecran matetika sy maharitra loatra izay tena ilana fitandremana, satria tsy voafehy intsony ny ankizy amin’izao fotoana.
Ankoatra ireo ny aretin’ny taova hafa izay mety hiteraka fahamainan’ny maso ihany koa. Ny fihinanana fanafody sasany misy fiantraikany amin’ny famokaran’ny maso ny ranomaso. Zava-doza ihany koa ny fanaovana “lentilles de contact”.
Mety hangidihidy ny maso rehefa tratran’izay fahamainana izay. Manindrontsindrona na mamasipasika ao anaty maso. Mety tsy hahazaka hazavana ary mirotsaka ho azy ny ranomaso rehefa tratry ny rivotra. Mety tsy hahita tsara ihany koa ary miraikitra ny hodimaso rehefa mifoha maraina ka lasa mikipikipy be foana.
Mila manatona dokotera avy hatrany vao mitranga ny iray amin’ireo fambara hahafahana mitsabo haingana sy ara-potoana mba tsy hampiitatra ny fahavoazana.

Tatiana A

Partager sur: