Nandefa taratasy tany amin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron ny loholona Christophe-Andre Frass. Anisan’ny notakiny ny hifampidinihana ny momba ny Raharaha Rafanoharana Paul.
Nivoitra tamin’ny taratasy ny fangatahan’ity loholona ity ny hifampidinihan’ny mpitondra eo amin’ny firenena roa tonta, amin’ny hitsidihan’ny filoha Emmanuel Macron eto Madagasikara. Nambarany tamin’izany koa ny tokony hamotsorana an-dRafanoharana Paul, tazonina any am-ponja efa ho efa-taona izao. Voasazy asa an-terivozona mandritra ny 20 taona ny tenany rehefa voasaringotra sy voarohirohy tamin’ilay “Raharaha Apollo 21”, fikasana hanongam-panjakana sy hifofo ny ain’ny filoha Rajoelina Andry.
Etsy andaniny, efa nanao fanambarana ny eo anivon’ny “Groupe de travail sur la detention arbitraire”, rantsana iray ao amin’ny Firenena mikambana (ONU) fa tsy ara-dalàna ny fitazonana am-ponja an’i Paul Maillot Rafanoharana. Efa notakin’izy ireo tamin’izany koa ny famotsorana azy io ao anatin’ny fotoana fohy. Tsy nahitam-baliny anefa izany. “Ny firenena frantsay ihany koa tokony hitaky sy hampihatra izany”, hoy hatrany ny fanazavana an-taratasy nataon’ny loholona frantsay.
Manana zom-pirenena malagasy sy frantsay
Nanteriny fa tsy azo ekena ny hamelana ny olom-pirenena frantsay amin’izao zava-misy izao ka nitakiny ny mba handinihina ny raharaha Paul Maillot Rafanoharana araka ny tokony ho izy. “Tokony hampodiana any Frantsa ao anatin’ny fotoana fohy izy amin’ ny fandalovan’ny filoha Emmanuel Macron eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny famerenana ny fifandanjan’ ny fifandraisana ara-diplomatika tadiavin’ny fanjakana malagasy izany. Aoka tsy ho takonana resaka politika ny raharaha”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa anisan’ny tohan-kevitry ny fitondram-panjakana manoloana ity raharaha ity ny fananan-dRafanoharana Paul, zom-pirenena roa: malagasy sy frantsay.
Synèse R.