Fifanintsanan’ny « Mondial 2026 »: Miverina laharana fahatelo ny Barea de Madagascar

Fandresena tokana sy faharesena iray no azon’ny Barea tao Maroc, nandritra ny andro fahadimy sy fahenina amin’ny fifanintsanana Mondial 2026. Voasongon’i Comores hatrany ny Malagasy.

«50 sy 50 », na
hoe fahombiazana sy fahavoazana no vokatra azo ilazana ny zava-bitan’ny Barea de Madagascar, tany Maroc, nandritra ny andro fahadimy sy fahenina, ady tapakilan’ny “Mondial 2026” lasa teo iny. Araka io, miverina eo amin’ny laharana fahatelo amin’ny vondrona « I », i Madagasi­kara, manana isa 10. Tsiahi­vina fa nandresy an’i Centra­fri­que, 4 no ho 1, ny Malaga­sy. Taorian’io, resin’ny Black Star Ghana, 3 no ho 0, ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar.
Niakatra eo amin’ny toeran’ny faharoa, ny Nosy rahavavy Comores, izay manana isa 12 amin’izao fotoana izao. Nandresy an’i Tchad, 1 no ho 0, ry zareo kaomorianina, afakomaly.

Ho sarotra ny lalana

Diso fanantenana tamin’ny fomba filalaon’ny Barea farany teo ireo mpankafy baolina kitra maro. Ho sarotra ihany ny lalan’ny ekipa nasionaly malagasy amin’ity fifanintsanana “Mondial 2026 ity”. Tsy mahazo manao resy intsony ry zareo amin’ireo lalao efatra ambiny. Mbola miandry ny ekipam-pirenena Barea, ny lalao faharoa hi­haonana amin’i Mali, Como­res, Centrafrique ary i Tchad. Ampahafantarina fa izay laharana voalohany amin’ity fifanintsanana ity dia mahazo ny tapakilan’ny “Mondial 2026” avy hatrany.
Miatrika lalao sakana kosa ireo laharana faharoa efatra tsara indrindra eto Afrika.
Hivarina sa hijanona… ?

Taorian’iny “fenêtre” Fifa iny, hivoaka ny 3 avrily 2025 ho avy izao ny filaharan’ireo firenena rehetra mikambana amin’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra. Andrasana amin’io fotoana io na hivarina na hijanona na hiakatra indray ny filaharan’ny Barea amin’izany. Tsara ny mampahatsiahy fa tamin’ny farany teo, nilatsaka tany amin’ny faha-116 ny ekipa nasionaly malagasy. Azo antenaina fa efa nandray lesona ny mpanazatra ny Barea, i Corentin Martins, ka hanova paikady vaovao izy hoentiny miatrika ny fifanandrinana manaraka.

Fitia Randria

Partager sur: