Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny sekretera jeneralin’ny antoko HVM foibe Madagasikara, Rasambany Alain Désiré. «Mety hiteraka fipoahana ara-tsosialy ary indrindra ny ara-politika izao zava-misy izao», hoy izy. Nanteriny fa tsy matoky ny mpitondra intsony ny vahoaka ka amin’ny alalan’ny fihetsiketsehana sy ny fidinana an-dalambe sisa no hanehoany izany. Nohitsiny fa na ireo solombavambahaoka, noeritreretina hitondra ny feon’ny vahoaka aza tsy manao ny asany. «Ny governemanta nantenaina hanatanteraka sy hamaha ny olan’ny vahoaka koa nefa tsy mitondra vahaolana. Vao mainka aza miteraka olana hafa manokana amin’ny fiainan’ny vahoaka andavanandro ny ataon’izy ireo», hoy ihany izy.
Notsindriny fa voatsipaka ny vahoaka rehefa azo ilay fahefana. Tsipahan’izy ireo na odiany tsy hita ilay fanomezana fampanantenana sy nilazana fa hijoro ka hampanjaka ny demokrasia, hampanjaka ny fahalalahana maneho hevitra, araka ny nambarany hatrany. Nambarany ho anisan’ny anton’izany rehetra izany ny vokatry ny tsy fahaiza-mitantana sy ny faneriterena samihafa ary koa ny ramatahora atao amin’ny mpanao politika sy amin’ny vahoaka.
Synèse R.