Tsy mitovy ny zavatra niainan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka (tanora) amin’izao fotoana amin’ny vanim-potoana sy ny zava-misy momba ny fananahana amin’ny ankapobeny.
Matetika manome tsiny ny ray aman-dreny ny zanaka izay mahatsapa fa tsy azon’izy ireo ny filan’ ny tanora momba ny fananahana. Nisy ny fihaonana nahafahan’ny tanora avy amin’ny fikambanana samihafa sy ny mpanabe (mpampianatra), mpahay lalàna, mpisehatra sosialy eny anivon’ny fiarahamonina, manam-pahaizana momba ny fananahana ara-pahasalamana (SR) niresaka malalaka momba ny lohahevitra fanabeazana ara-pananahana feno, omaly, teny Ampandrana. Nivoitra fa betsaka ny olana manodidina ny lohahevitra voalaza ho an’ny fiarahamonina sy ny tokantrano malagasy. Fady ny miresaka ny fananahana ara-pahasalamana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka.
“Betsaka ny zavatra efa nataon’ny fanjakana na ONG fa tsy sahin’ny mpisehatra lazaina mivantana ny zavatra tena ilain’ny tanora. Amin’ny fahasalamana, raha maka torohevitra eny amin’ny mpitsabo ny tanora, any am-pianarana, tsy mazoto miditra lalina ny mpampianatra sao lazain’ny mpianatra fa vicieux. Tsy voaresaka tsara ny fanabeazana ara-pananahana feno izay tsy momba ny firaisana ara-nofo fotsiny fa fanehoana ny maha olona ary mirakitra zavatra betsaka ara-batana, ara-tsaina, ara-tsosialy, ara-pihetseham-po”, hoy ny manam-pahaizana momba ny fananahana ara-pahasalamana, dokotera Tifana Marie Ange.
Nivoitra taorian’ny fanehoan-kevitry ny tanora fa mangetaheta fahalalana feno izy ireo momba ny fananahana handraisany fanapahan-kevitra momba ny tenany sy ny hitondrany ny safidiny manoloana izany. Zava-dehibe ny hamerenana ny fanabeazana ara-pananahana feno any an-tsekoly ho an’ny sokajin-taona rehetra manomboka eny amin’ny ambaratonga voalohany, araka ny fanazavan’ny mpikambana ao amin’ny Coalition santé et droits sexuels et réproductifs ao anatin’ny Forum génération égalité, Ramparaoelina Tendry, izay nikarakara ny fifanakalozana, omaly.
Vonjy