INDRAY MIJERY

Noraisin’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny biraony, ny Directeur du bureau de pays de l’organisation internationale du travail (OIT) ho an’i Madagasikara, Comores, Maurice ary Seychelles, Frederick Muia. Nifantoka tamin’ny fanohanana ireo ivontoeram-panofanana teknika izay niantraikan’ny rivodoza tany amin’ny faritra Atsimo ny dinika. Tafiditra ao anatin’ny ezaka fanatsarana ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa (ETFP)izany.

Mampahatsiahy ny minisiteran’ny Fampi­anarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa mikatona ny 25 avrily ho avy izao ny fandraisana ny antontan-taratasy fisoratana anarana hiatrehana ny fanadinana bakalorea. Tsy azo raisiny ny antontan-taratasy rehefa tapitra io fe-potoana voalaza io.

Ambony kokoa ny tahan’ny fahasembanana trizomia21 azo avy amin’ny vehivavy mitondra vohoka latsaka ny 18 taona sy mihoatra ny 35 taona. Tokony ho arindra mialoha ny faha-35 taona ny fiterahana. Betsa­ka koa ny tranga hita fa miteraka fahavoazana ho an’ny vehivavy tsy ampy taona ny fiterahana aloha loatra.

Miompana amin’ny fanampiana ny tanora, lahy sy vavy, hahafahan’izy ireo mandray anjara amin’ny raharaham-pirenena ny tetikasa “Mahasaky”. Haha­ritra 3 taona ny faharetany, iarahana amin’ny UNFPA sy ny Pnud ary ny Eisa izany. Natao tao Fianarantsoa ny ady hevitra eo amin’ny tanora sy ny manam-pahefana mahakasika ity tetikasa ity.

Partager sur: