Atao any Paris ny fivoriambe iraisam-pirenena mahakasika ny fahavitantena ara-tsakafo. Lohahevitra noraisina ny hoe « Trandrahina ny paikady mahomby hanatsarana ny sakafo: mandray anjara daholo ny mpisehatra voakasika rehetra, amin’ ny alalan’ny traikefa samihafa ananan’ny firenena tsirairay ». Nohazavain’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Fahavintantena ara-tsakafo (SESA), Razanamahefa Tahian’ny Avo, fa laharam-pahamehan’i Madagasikara ny fahavitantena ara-tsakafo. Toy ny fanamafisana ny famokarana sakafo manana otrikaina betsaka vy (fer), toy ny vomanga sy ny tsaramaso. Zava-dehibe ny fananana toby fitahirizam-bokatra, hiantohana ny sakafo ho an’ny mponina marefo. Eo koa, ny fametrahana toeram-pisakafoana any an-tsekoly mifototra amin’ny vokatra eo an-toerana.
Nohamafisiny ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Japon, natomboka ny taona 2020 hatramin’ny 2023, miara-miombon’antoka amin’ny FAO, ny Pam ary ny Unicef. Ao anatin’izany ny fanatsarana ny fahazoana rano fisotro sy ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana, hiadiana amin’ny aretina azo avy amin’ny sakafo.
Mifanandrify amin’ity fotoana ity koa ny Fihaonambe faratampony momba ny sakafo, « Nutrition for Growth » (N4G), atao anio 27 sy 28 marsa.
Njaka A.