Miantoka ny fampandrosoan’ny toekarena sy ny famokaran’ny orinasa ny rano. Ankehitriny, mihena ny vokatra noho ny tsy fahampian-drano. Omaly, nikaondoha tetsy amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Antananarivo (CCIA), ireo mpisehatra nifandinika sy nifanakalo hevitra ary nandroso vahaolana momba izany. Nivoitra tao anatin’izany ny hananganana ny kaomity mitantana ny sahandriaka. Mivondrona ao avokoa ireo mpampiasa rano rehetra sy ny sehatra tsy miankina. «Ny kaomitin’ny sahandriaka no mahita ny zava-misy eny ifotony. Mila arovana sy tokony hajariana ny sahandriaka ary andraikitry ny rehetra izany», hoy ny Directeur de la règlementation et de la protection des ressources en eau eo anivon’ny Autorité nationale de l’eau et de l’assainissement (Andea), Ralambosamimanana Mamy Nirina.
Miisa enina ny sahandriaka eto Madagasikara, izay mitsinjara ho maro ka tokony hisy ny kaomity mpitantana hifehezana ny fitsinjarana rano eto amin’ny firenena.
Famokarana
Anisan’ny mandany rano ny sehatry ny fambolena sy ny indostria. «Voatery manao lavadrano ny orinasa sy mamatsy vola ho an’ny fanadiovana izany hiantohana ny famokarana», hoy ny filohan’ny Vondron’ny mpanondrana lohamenaka eto Madagasikara (Gehem), Rasolonjatovo Andrandraina. Tsy ny rehetra, hoy izy, no mahavita izany.
Manampy an’i Madagasikara ny fahafaha-mamokatry ny orinasa. «Tokony hanana paikady matotra sy mazava ny fanjakana handrindrana ny rano mba hahafahana mivoatra sy mandray fanapahan-kevitra», raha ny fanazavan’ny filohan’ny CCIA, Razafintsalama Gil.
Henintsoa Hani