Melohin’ireo tomponandraikitra misahana ny filaminana any Toliara sy Atsimo Andrefana ny fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana. « Tsy azo andeferana ny fanakorontanana », hoy izy ireo.
Nanao fanambarana ny Prefektiora Toliara sy ny faritra Atsimo Andrefana, niaraka tamin’ny solontenan’ny mpampanoa lalàna, ny zandarimaria, ny Tafika ary ny polisy, omaly 26 marsa.
Melohin’izy ireo ny fihetsiketsehana tsy nahazo alalana tany Andaboy Toliara, ny alahady 23 marsa teo. Nambaran’ny prefe an’i Toliara, Ratovelo Aubain Thierry, fa nisy ny mpitandro filaminana sy ny mpanao fihetsiketsehana naratra, nisy fahasimbana koa ny fiaran’ny mpitandro filaminana. Hetsika tsy nahazo alalana nataon’ny olom-bitsy, sady tsy manaraka ny soatoavina malagasy amin’ny fitandroana ny fihavanana. Notsindriny fa horaisina ny andraikitra, satria mbola manan-kery ny lalàna lah-60-082, nivoaka ny 13 aogositra 1960, araka ny andininy 1 sy faha-8, milaza fa « tsy maintsy angatahana alalana ny famoriam-bahoaka sy ny hetsika an-dalambe, alefa any amin’ny prefe, 72 ora mialoha ny fotoana hanaovana azy. Manana fahefana hanaiky na handa ny fangatahana ny prefe. …Tsy handefitra ny OMC sy ny Emmoreg amin’ny tsy fanarahan-dalàna rehetra ».
Vonona amin’ny fifampidinihana hatrany
Etsy ankilany, niantso ny rehetra mba hisian’ny fifampidinihana sy haneho ny firaisankinan’ny mponina liam-pandrosoana, any atsimon’ny Nosy, ny governora Atsimo Andrefana, Tovondrainy Edally. Nisaorany manokana ny fanelanelanana efa nataon’ireo olobe sy raiamandreny manoloana ny disadisa samihafa hatramin’izay. « Vonona hikaroka sy hiaro ny tombontsoan’Atsimo Andrefana sy i Madagasikara ny tenako…. Efa nodinihin’ny fanjakana lalina ny fiantraikany sy ny tombontsoa ary ny fandrosoana hoentin’ny tetikasa Base Toliara, tao anatin’izay 5 taona izay, matoa nekena ny hanokafana azy indray, ankehitriny », hoy izy.
Njaka A.