Rabevahiny Elia : “Mbola misy mila hahitsy ny tantara momba ny 29 marsa 1947”

Hatramin’izao, mbola misy lafiny tsy mampitovy hevitra be ihany ny amin’ny Raharaha 29 marsa 1947. Inona no marina? Maneho ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny antoko Otrikafo, Rabevahiny Elia. Dinidinika...
Gazety Taratra (*): Inona ny marina momba ny Raharaha 29 marsa 1947?
Rabevahiny Elia (-): Farafaharatsiny, misy filaza roa samy hafa. Ny iray izay novoizina sy nampianarina hatramin’izay, avy amin’ny mpanjanaka na ny mpandresy: ny mpitarika ny MDRM (1) no nanomana ny 29 marsa 1947 sy nikomy, ny tia tanindrazana no nanao izay hamonoana sy hanalana ny Frantsay teto. Etsy ankilany, manana ny filazany ny taranaky ny MDRM. Izy ireo no niaina mivantana… Tsy nipetrapetra-potsiny ny Frantsay, niezaka nisovoka tao anatin’ny lamin’ny MDRM. Ny Frantsay no nanao ny fomba nampirisihana ny mpitarika ny MDRM hanomana ny Raharaha 29 marsa 1947. Tany amin’ny volana mey 1946 no nandefa telegrama ho an’ny governora jeneraly teto Madagasikara ny minisitry ny zanatany frantsay, i Marius Moutet, hoe: “Il faut abattre le MDRM par tous les moyens”. Ny fanjakana frantsay izany no nitady izay hamotehana ny MDRM amin’ny fomba rehetra. Nanomboka teo ny Frantsay, niketriketrika mafy izay hahazoana mandripaka ny Malagasy tia tanindrazana.
* Inona ny antony?
– Ny taona 1947, nialohavan’ny fifidianana solombavambahoaka teto Madagasikara. Lasan’ny tia tanindrazana avokoa ny toerana telo. Tsy tafavoaka ny kandidà notohanan’ny Frantsay. Raha tarafina amin’izay, tsy nankasitraka ny fanjanahan’ny Frantsay teto ny ankamaroan’ny Malagasy. Vokatr’izay ny telegraman’i Marius Moutet. Niezaka nitady ny fomba rehetra ny Frantsay hilazana fa ny MDRM no nanomana ny 29 marsa 1947. Nisy tamin’izany fitaovam-piadiana, lefona, ohatra, nasiana ny mariky ny MDRM. Nefa tetsy ankilany ireo nisovoka tao amin’ny MDRM nataon’ny Frantsay, nanao izay hanafaingana ny famotehana ny MDRM. Nanomana kongresy ny MDRM ny voalohandohan’ny avrily 1947. Tsy hafahafa be ve hoe manomana ady sady manomana kongresy? Ny tena marina: ny Frantsay no nitady ny fomba rehetra hanapoahana ny Raharaha 29 marsa 1947 tsy hahatanteraka ilay kongresy.
* Fa inona ny paikadin’ny MDRM?
– Samy tany an-tokantranony sy ny raharahany izy telo mirahalahy solombavambahoaka tamin’ny 29 marsa 1947 fa tsy nanomana ady izany. Ny marina, na teo amin’ireo mpitarika ny MDRM aza: nisy tsy fitoviana paikady. Tolona am-pilaminana, ohatra, ny an’ny dokotera Ravoahangy no hitakiana ny Fahaleovantena. Eo anivon’ny parlemanta frantsay no hiady an’izay. Natanjaka be tao anatin’izany ny solontenan’ny firenena voazanaka teo anivon’ny parlemanta frantsay. Izay no noheveriny fa hahamora ny fitakiana ny Fahaleovantena fa tsy ady. Tetsy ankilany, dokotera Joseph Raseta: vokatry ny fifandraisany tamin’ny Ho Chi Minh: tsy maintsy mandray basy. Tsy ho tafavoaka raha ady amim-pilaminana no atao. Ny maodely tany Vietnam no nironany. Noho ny fahafantaran’ny Fran­tsay an’izay tsy fitoviana paikady izay no nahatonga an-dry zareo nanararaotra. Izay koa no manamarina hoe: ahoana no hanomanana ny 29 marsa 1947, nefa ny mpitarika aza tsy mitovy hevitra?
*
* Nefa nisy ny ady mi­van­tana?
– Misy ny taranaky ny MDRM milaza fa tsy niady ny ray aman-drenin’izy ireo. Nefa nisy tokoa ireo tia tanindrazana voafitaky ny Frantsay, ka tena nanomana ady. Henjana be ny fisovohan’ny Frantsay tao anatin’ny MDRM. Nisy telegrama naparitaky ny mpomba ny Frantsay nampiomana ny Malagasy tia tanindrazana hiady ny 29 marsa 1947. Tsy maintsy atao mazava tsara hoe: tsy nanomana ady ny mpitarika ny MDRM, fa nisy fandaminana miafina hafa voafitaka tao anatin’izany. Nieritreritra ry zareo fa ny mpitarika ny MDRM no nanomana ny 29 marsa. Izay no nahatonga azy ireo nandray anjara tamin’ny ady. Hita izany tany amin’iny faritra atsinanana sy atsimo atsinanana iny: Manakara, Sahasinaka… Tany no tena nafana ny ady, ankoatra ny tany Moramanga. Marina tokoa fa nisy ireo Malagasy tia tanindrazana tena nanomana ny Raharaha 29 marsa 1947. Vokatry ny fitaka nataon’ny Frantsay nanaparitaka ilay telegrama hoe miomana handray basy amin’ny 29 marsa.
* Inona no tokony hatao isaky ny 29 marsa?
– Tsy anisan’ny antoko mankalaza ny Raharaha 29 marsa 1947 izahay. Faha­tsiarovana no atao. Ahoana no hankalazana ny andro iray nandripahana ny Malagasy? Fandripahana ny Malagasy tia tanindrazana iny. Fandresena no tokony hankalazaina. Nefa tsy tafavoaka isika hatramin’izao. Ahoana no hankalazana izany? Mbola ady sy tolona iray atao izay: mila hahitsy ny tantaran’i Madagasikara. Tsy mankalaza ny 29 marsa 1947 izahay fa mampahatsiahy. Raha ny marina aza, andro tokony hisaonana io. Tokony hieritreretana hoe: ahoana no ahazoana manohy ny tolona mbola tsy vita nimatimatesan’ireo raiamandreny?
* Tsy efa nisy fiovana ve ny fijerena ny tantara?
– Raha tsorina, ny 29 marsa no andro iray hitan’ny Frantsay fa tsara ahazoana mamotika ny tia tanindrazana teto Madagasikara. Famote­hana ny fitiavan-tanindrazana no natao. Raha misy tokony hatao eto amin’ny firenena, ny fanitsiana ny tantara. Mani­nona ny firenena no tsy tafavoaka toy izao? Satria tsy ny taranaky ny olona niady no nitondra an’i Madagasikara, fa izay novolavolain’ny Frantsay no nomena fahefana. Mbola mitoetra izay kolontsaina izay. Andraikitra sy adidin’ny taranaka amin’izao ny manitsy sy manohy ny tolona izay vitan’ireo raiamandreny teo aloha. Raha misy adihevitra tokony hatao, samy hitondra ny heviny fa tsy ny an’ny mpanjanaka ihany no aparitaka ny amin’ny tantara. Rehefa iombonana ny tantara, tokony hirosoana ny fanitsiana… Tena mandiso ny tantara izay voizina momba ny 29 marsa 1947 hatramin’izay.
Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: