Navoakan’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny rugby na ny “World Rugby”, tao amin’ny tranokalam-pifandraisany, ny faran’ny herinandro teo, ny fandaharan-dalao amin’ny dingana faharoa hiadiana ny “Challenger series 2025”, amin’ny rugby lalaovina olona 7. Fihaonana, hotanterahina any Pologne, ny zoma 11 sy ny sabotsy 12 avrily ho avy izao. Raha ho an’ny sokajy “B” misy ny Makis, hidona voalohany amin’ny Malagasy i Canada. Aorian’io, hifanandrina amin’i Portugal. Ireo firenena roa ireo izay efa fantatry ny Makis tsara satria efa nikatroka taminy, tatsy Afrika Atsimo. Hanala vela amin’ireo firenena roa ireo ny Malagasy amin’ity. Ny lalao farany ho an’ity vondrona ity dia ny fifanandrinana amin’i Japon. Miatrika ny manasa-dalana izay roa voalohany amin’io. Miady laharana kosa ny fahatelo sy fahefatra.
Efa ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny Makis de Madagascar, amin’izao fotoana izao. Fantatra fa mety hisy fiovana ny ho firafitry ny ekipam-pirenena malagasy amin’ity. Raha tsy misy ny fiovana, hanainga ny talata 8 avrily ho avy izao ny delegasiona malagasy. Mila miady mafy ny Makis amin’ity satria izay efatra tafavoaka eo no manao ny “Play-offs” hatao any Los Angeles, ny 3 sy ny 4 mai ho avy izao ary ny roa miatrika ny famaranana amin’ io no manao ny “World series challenger 2025”.
Tompondaka