Nanatanteraka fitsidihana sekoly teto an-drenivohitra ny Team Heros sy ny All Stars Madagascar, omaly. Anisany nanaovan’izy ireo izany ny EPP Ambohipo. Tanjona amin’izany ny hiombonana sy ny hanatsarana ny fanavaozana ny sekolim-panabeazana eto Madagasikara.
Nomontsanin’i Argentine tamin’ny isa 4 no ho 1, ny Seleçao Bresil, afakomaly, tao amin’ny Kianja Estadio Monumental Argentine. Tsiahivina fa ity fihaonana ity dia tafiditra amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny Mondial 2026 hatao any Meksika sy Etazonia. Tsy mbola afa-bela amin’i Argentine ny brezilianina.
Mitana ny laharana voalohany vonjimaika ao amin’ny sokajy “première division”, sokajy vehivavy, taranja volley-ball ny 2AVB, ao anatin’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga. Ny ekipan’ny ASI 1 kosa ny laharana voalohany ao amin’ny “première division”, lehilahy. Hitohy amin’ity faran’ny herinandro ity ny fifaninanana.
Hitohy ny alatsinainy 31 marsa ho avy izao, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja basikety. Ny sokajy latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy, sy ny N1B, lahy sy vavy, hifaninanana mandritra izany