Fahasalamana: Dinihina ny fomba hisorohana ny aretina tsy mifindra

Tanterahina any Paris ny dinika mahakasika ny fahasalamana sy sakafo voalanjalanja ho fisorohana ireo karazan’aretina tsy mifindra. Fihao­nambe siantifika nokaraka­rain’ny Agence française de déve­loppement (AFD) no hanatanterahana izany. Man­dray anjara amin’ny dinika ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Randriamanantany Zely.
Nasehon’ireo mpikaroka tamin’ny voka-pikarohana fa mamaritra betsaka ny fahasalamana ny karazan-tsakafo hohanina sy ny fahazaram-pisakafoana.
Nohamafisina tamin’izany fa tokony hanana anjara toerana lehibe amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina ny valim-pikarohana ara-tsiantifika ary tokony ho azony takarina mba hahafahany mandray andraikitra amin’ny fahasalamany.
Tafiditra ao anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana eto Madagasikara ny fanamafisana ny fisorohana amin’ny aretina. Mila mahafantatra ny sakafo voalanjalanja tokony hohanina ny tsirairay ahafahana misafidy sy miaro ny isam-batan’olona. Tena ilaina, araka izany, ny fahaiza-misakafo mba ho tena mahavelona sy hitondra fahasalamana fa tsy ho poizina hanapotika ny vatana indray.

Tatiana A

Partager sur: