Handalo fankatoavan’ny filankevi-pitantanan’ny Banky iraisam-pirenena ny volana mey, aorian’ny tombana atao ny volana avrily izao, ny fahazoan’i Madagasikara ny famatsiam-bola mitentina 100 tapitrisa dolara, andiany faharoa. Marihina fa efa nivoaka ny volana jona 2023 ny famatsiam-bola 100 tapitrisa dolara andiany voalohany azontsika. Hetsika natao hanohanana ny fanavaozana sy ny fanarenana ny toekarem-pirenena. Nisy ny fivoarana efa hita saingy mbola misy ny ezaka ifanarahana mbola mila hatao eo amin’ny sehatra samihafa. Tanjona ny hanatsarana sy hampangarahara ny fitantanam-bolan’ny firenena, ny fifaninanana eo amin’ny tsena ary ny fitantanana orinasa eo amin’ny sehatry ny angovo, ny fifandraisan-davitra ary ny harena an-kibon’ny tany.
Voalazan’ny Banky iraisam-pirenena fa marefo ny fitantanana eto Madagasikara, ny loharanon-karena mifototra amin’ny maha olona sy ara-batana. Marefo ihany koa ny fivoaran’ny toekarena tao anatin’ny taona maro, antony nahatonga ny fahantrana lalina eto amin’ny firenena.
Henintsoa H.