Fampandrosoana eny ifotony: Nijery ireo asa vita ny MFFT sy ny ONU Habitat

Hifarana ny tetikasa AF/SEA MOR’AF, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsin­jaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) miaraka amin’ny ONU-Habitat. Nidina ifotony nijery ireo asa vita tany Morondava izy ireo.
Miisa valo ireo tetikasa mandinika nojerena tamin’izany ho fanamafisana ny fahaiza-miatrika ny fiovan’ny toetr’andro an-tanàn-dehibe. Anisan’ny zava-bita ohatra ireo trano ho fialofana vonjimaika sy ivontoerana fanofanana. Eo koa ny rafitra fandroahana rano maloto ao afovoan-tanànan’i Morondava. Niampy ny fanolorana kamiao “benne” ho an’ny kaominina ambonivohitra Morondava. Manampy izany ny fanamboarana lalana sy tetezana maromaro any Ambalarao sy ny any Bemokijy ary koa ny ao Rapiera.
Nambaran’ny eo anivon’ny MFFT fa ilaina ny fanolorana ireo fitaovana sy fotodrafitrasa tahaka izao mba hampahombiazana sy hahitana ireo vokatra maharitra avy amin’ny tetikasa ho an’ireo mponina. “Fototra hiantohana ny faharetan’ireo ezaka natao ny fandraisan’anjara mivantana ataon’ny mponina sy ny fanoloran-tenan’ireo tomponandraikitra eo an-toerana”, hoy izy ireo.
Tsiahivina fa nisy hatrany ny fifanakalozana niaraka tamin’ireo manam-pahefana sy vondrom-piarahamonina tamin’izao fidinana ifotony nijerena ny fahavitan’ny tetikasa izao. Narahin’ny fivoriana momba ny vina ho amin’ny hoavy.
Hifarana tanteraka ny volana avrily izao izany tetikasa izany.

Synèse R.

Partager sur: