Fampahatsiahivana, fanamafisana… Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni ary nanentanan’izy ireo ny rehetra ny hanamarinan’ny tsirairay ny momba azy ao amin’ny lisitry ny mpifidy.
“Raha ny lalàna eto Madagasikara, tsy an-tery fa malalaka ny safidin’ny olom-pirenena hoe hisoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy izy na tsia”. Io ny nambaran’ny tonia mpanatanteraka nasionaly lefitra eo anivon’ny Ceni, Ravaoharinirina Hanitriniaina Liliane, teny Alarobia, omaly, ao anatin’izao fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy (Rale) izao. Manana 20 andro ny mpifidy tsirairay hanamarina ny fisoratany anarana na ny mombamomba azy ao anatin’ny lisitry ny mpifidy izay efa tonga eny anivon’ny fokontany amin’izao fotoana izao.
“Manasa antsika hijery ny andinin-dalàna, fa ny And. 32 hatramin’ny And. 42 ao amin’ny lalàna fehizoro mifehy ny fifidianana no ahazoana mamita an’izay fanamarinana ny mombamomba ny tena ao anatin’ny lisitry ny mpifidy izay”, hoy izy. Mba hananana lisitry ny mpifidy azo antoka sy marina, manentana ny olom-pirenena tsirairay ho tonga eny anivon’ny fokontany.
Mbola manana 20 andro…
Manomboka amin’ny fotoana nahatongavan’ny lisitry ny mpifidy eny anivon’ny fokontany izay 20 andro ahazoan’ny olom-pirenena manamarina ny momba azy. Fantatra fa noho ny fisian’ny rivodoza sy ny tondradrano no mety nahatratra aoriana kely ny any amin’ny distrika ny sasany. Na ny vao nisoratra anarana na ny efa voasoratra teo aloha: marina ve ny mombamomba ny tena? Ilaina ny manatanteraka izay fanamarinana izay, fa zava-dehibe ny maha ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ny tsirairay.
R. Nd.