Hatsangana ny Foibe fibaikoana “Centre de commandement opérationnel – CCO” amin’ny fihaonana an-tampon’ny COI. Hapetraka eny amin’ny Kianja Barea izany, handrindrana ireo asa rehetra ary efa miroso koa ny fanajariana ireo fotodrafitrasa handraisana ireo delegasiona vahiny, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha.
Mitaky fihaonana amin’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, ny mpanohitra, amin’ny hivahinianany eto Madagasikara. Anisan’ny efa nilaza izany ny depiote “Del kely” sy ny avy amin’ny HVM, Rakotovao Rivo. Anisan’ny hambaran’izy ireo amin’izany ny famoretana ara-politika, ny fanodinkodinana ny fahefana mpitsara sy ny momba ny demokrasia.
Manameloka ny ramatahora atao amin’ireo mpitarika ny hetsika fanoherana ny tetikasa Base Toliara sy nisamborana ny Kly Fanampera ny fikambanan’ny Fiherena Manombo Mangoky. “Olobe manana ny maha izy azy ao amin’ny faritr’i Toliara izy io ka takinay ny hamoahana azy tsy misy hatakandro “, hoy ny fanambaran’izy ireo.
Nivory nikaton-trano tao Ambositra, omaly, ny eo anivon’ny OMC sy ny Praiminisitra, Ntsay Christian. Niatrika izany ireo tomponandraiki-panjakana any an-toerana, ny governoran’ny faritra Amoron’i Mania. Eo koa ireo loholona sy ny depiote, ny prefen’Ambositra ary ny ben’ny Tanàna ao an-toerana.