Anjara biriky entin’ny fondation roa : Viséo sy HV ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny fanohanana ny fanabeazana fototra. Efitranon-tsekoly maherin’ny 100 no nohavaozina tanteraka. Mbola hitohy amin’ny EPP hafa ny fanatsarana miaraka amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
Vita ny fanavaozana ny EPP Ankorondrano, izay nifarimbonan’ny Fondation Viséo, Fondation Hematlal Veljee (HV) sy ny orinasa Materauto. Noraisina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny asa rehetra niaraka amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Nohatsaraina ny fotodrafitrasa (efitrano fianarana valo) sy ny toeram-pivoahana ao anatin’ny EPP. Nampitaovana seza sy latabatra koa ny efitrano fianarana (avy amin’ny fikambanana Inner Wheel). Nanamboarana toeram-pisakafoana ny sekoly ary nohatsaraina ny faritry ny toeram-pampianarana. Mendrika ny hianatra ao anatin’ny efitrano madio sy milamina ny mpianatra 548.
“Nanomboka ny taona 2018 ny fondation Viséo no nanohana ny fanavaozana sekoly 20 ary efitrano 100 no vita nahafahan’ny mpianatra maherin’ny 5 000 nianatra anatin’ny filaminana”, hoy ny tomponandraikitry ny fondation, Moustafa Hiridjee. Sekoly fito no iantefan’ny asa fanatsarana amin’ity taona ity.
Niara-dalana taminy hatramin’izay koa ny fondation HV, satria laharam-pahamehana ho azy ireo ny fanabeazana ny zaza malagasy. “Mamaly hatrany ny antso ho fanatsarana ny fanabeazana ny fondation amin’ny fizarana sakafo isan’andro sy fitaovam-pampianarana ho an’ny ankizy ankoatra ny fanatsarana ny sekoly”, hoy ny tomponandraikitry ny serasera, Andriamanarivo Shekinah.
“Andraikitry ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny misahana sy mikarakara ny EPP 93 miorina ao anatin’ny boriborintany enina”, hoy ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala. Misaotra ny mpiray ombon’antoka, toy ny fondation roa manohana ny fanavaozana ny EPP, ny kaominina ary miantso ny mpanohana hafa amin’ny fametrahana toeram-pidiovana ho an’ny mpianatra. 70% amin’ny EPP tsy manana toeram-pidiovana amin’izao fotoana.
Vonjy