Mamakafaka lalina

Trangam-piarahamonina iniana volena indray tato ho ato ny fanakorontanana etsy sy eroa. Tadiavin’ny sasany hatao amin’ny fomba rehetra ny hisian’ny fitokonana faobe. Tsy vitan’izay fa misy amin’ny mpanao politika no mitady hirika hisian’ny ra latsaka an-tany. Tsy mikely soroka tokoa ny ratsy amin’ny fitadiavana lalana manivaka, handravana efa.
Miseholany ny fandrangitana ny mponina hanohitra ny fanatsarana sy ny fanorenana fotodrafitrasa goavana sy ny tetikasa lehibe. Zary avadika ho antom-panonerana ny fanjakana ny fihetsika tsotra, kanefa zotra tsy maintsy handehanana. Tsy zava-baovao akory ny fakana tanin’olona ho an’ny tombontsoam-bahoaka. Zary roritina sy havadika ny resaka mba handrehetana ny afo.
Tsy mendrika korontana na fifamonoana intsony ny Malagasy. Mendrika fitoniana! Tsy efa fadiranovana amin’ny fiainana koa mbola ampiana? Tsy hatao ho toy ny tain’omby hasesika an-davaka ka indroa mahita ny maizina ireo olona marefo. Vanim-potoana mba tokony hampahiratra ny masoandron’ny vahoaka madinika izao. Izy ireny no hamoronana asa sy hanatsarana ny fidiram-bolany.
Tsy misy fahagagana amin’ny famongorana ny fahantrana eny anivon’ny tokantrano. Tsy aleo ve mihinan-kely toy izay handry fotsy? Ny mpanao politika efa galifantsy, milalao toe-po sy fahasahiranam-bahoaka fotsiny. Mba fantatry ny sarambabem-bahoaka ve ny kajy ao ambadik’io fandrehetana afo etsy sy eroa io? Tena ny tombontsoa iraisana ve? Anjaran’ny tsirairay ny mandinika sy mamakafaka ny mahakasika izany.
Marihina fa raha ny otrikafo tadiavina ho velomina etsy sy eroa no zohina akaiky dia mibaribary ny tiana hahatongavana. Ankoatra ny mpikaramanady politika, maro ihany koa ny kisarintsarina firaisamonim-pirenena mpanenjika sy mpividy tetikasa ahazoana famatsiam-bola. Mila mamakafaka lalina!

r.r

Partager sur: