Voasambotry ny mpitandro filaminana teny Mahazoarivo ny iray tamin’ireo roa lahy mpisoloky sady mpangalatra moto, ny 26 marsa teo. Mody manamboatra moto satria mitonon-tena ho matihanina amin’izany izy ireo. Ataony andrana izay vitany ka tsy mipoitra intsony izy ireo aorian’izay. Entiny mandositra ny fananan’olona. Tompona moto iray lasibatra teny Soamanandrariny ka nametraka fitoriana teo anivon’ny zandary, ny 14 marsa teo. Natao ny fikarohana ny mpangalatra, araka ny angom-baovao voarain’ity farany. Tra-tehaka ny iray tamin’ireo mpangalatra. Nahitana moto halatra teny aminy. Kodiaran-droa miisa dimy efa nanaovan’io lehilahy io ny teti-dratsiny, araka ny fanazavan’ny zandary. Nitoroka ny namany izy. Nifampitadiavana ity farany. Voasambotra teny Mahazoarivo. Tafakatra dimy ny kodiaran-droa sarona teny amin’izy roa lahy. Natao famotorana ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela izy ireo.
Tsiferana R.