Toliara: « Fampandrosoana no ilaina », hoy ireo Olobe

Naneho hevitra ihany koa ireo Olobe sy ny Hazomanga any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, taorian’ilay fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana, ny alahady teo, tany Andaboy Toliara. Raisin’izy ireo ho fanakorontanana ny fitondrana no nataon’ny mpitarika ny hetsika, fa mody sa­rontsaronana sy miafina ao ambadiky ny fanoherana ny tetikasa Base Toliara. Nohi­tsian’i Jeannot Roberval, anisan’ny Olobe Toliara, fa “tsy misy ifandraisany amin’ny tetikasa Base mihitsy ireo mpanakorontana ireo. Mpanao politika ao anatin’ny fanoherana taorian’ny fifidianana filoham-pirenena ny ao ambadiky ny hetsika tany Andaboy ». Ho azy, « aleo alamina amin’ny politika ny resaka politika ».
Nampahatsiahivin’i Léon­dis­­me Mandrerake, fa « fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana ny famerenana ny Base ho afaka hiasa. Fika­rohana vahaolana hamahana ny lafiny sosialy sy toekarena no himasoana izao. Melohinay marindrano ny fihetsik’ireo antokon’olona ireo ». Hentitra ny fanehoan-kevitr’i Mandaso Marin, mpitana ny Hazo­man­ga Tagnalana, « samy mpandova sady zanatany eto isika, mijoro izahay manohitra ireo izay manakana ny fampandrosoana. Tsy fananana manokan-dRandrianasoloniaiko Siteny sy Fanapera, na i Geor­ges Ratovo ny moron­dranomasin’Andaboy ».
Efa nisy ny tolo-kevitry ny tomponandraiki-panjakana ao Toliara, hifampidinihan’ny an­kolafy rehetra tsy an-kanavaka, saingy tsy nanaiky ireo mpanohitra ny tetikasa ireo. Misy ny fepetra noraisina hitandroana ny filaminana sy hisorohana ny korontana.

Njaka A.

Partager sur: